1 Fihirana fiakarana*. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2 Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.

3 Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy.

4 Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon'ny ratsy fanahy Izy.

5 Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an'i Ziona

6 Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;

7 Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin'izany;

8 Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no itsofanay rano anareo.
